Hira: MADAGASIKARA TANINDRAZANAY

Publié le par Alain Ramaroson

Madagasikara tanindrazanay

Tany sarobidy masina tokoa

Lova soa nomen’ny razanay taloha

Maty ho anao no tena lazanay

 

 

REFRAIN:

Mitsangana ry tanora

Mitsangan k’aza manana ahiahy

Izao no andro sady ora

Mijoroa sahia tokoa ho lehilahy

 

 

Isika rehetra izao , akanga miara-dia

Tsy azo ho tabaina na ravàna koa

Ka hitomban-dahy hiasa re satria

Io no loharano fototry ny soa.

 

 

Malagasy ô! handeha hifankatia

Ho mpirahalahy tena iray tampo

Ny hifankahala hataovy sanatria

Tena iray tokoa ny saina sy ny fo

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article