E-MAIL AVY AMIN’NY AKAMA MIASA ANY ALEMANA

Publié le par Alain Ramaroson

Asaiko vakinareo araka izay nanoratany azy ilay e-mail nalefan’ity namana mpiara-mianatra taloha izay mibango ny zava-manjo antsika ankehitriny.


Miala tsiny dieny etoana ho an’ireo mety tohana amin’ny teny tsy mendrika ato satria nentin’ny entanam-po be loatra ity ranamana


K’aiza baina a!

Ahoana ity toe-draharaha masoso-p any amin’ny tanàna ty e


Tsy mahita vaovao hotantaraina firy intsony fa tsy manontany tena hoe dia mora voafitaka toy inona anie ny Malagasy e. Efa fantatr’izao fa fieritreretana ny olona ho vendrana sy tsy maharaka politika no atao. Sasa atidoha no natao betsaka ka ny tetika dia nodorana ny haino aman-jery nasionaly sy ny an’ny ankilany mba ahafahana nanao izany lavage de cerveau izany: ie de nisy tokoa ny olona mba metimety no roboka, Andriamanitro ianao o!!!

Ny tena mampalahelo dia ilay orinasa reharehan’ny gasy amin’ny any ivelany ity izay nikatona androany dia tsy iza fa ny gasy ihany no namotika azy. Izay ve ilay hoe ory hava-manana mba sanabavy! Lazaina fa hoe monopole e, inona e: ny amerikana zany nanimba ny Microsoft, ny Indiana ve nanimba ny Tata? Mba asaivo valian’izay bandy akama mivilana io e! Efa gros titre amin’ny gazety ekonomik afrikana anie io fikatonana: mampihomeh an-dry zalah mihits zao ny gasy.


Zao zany ilay mampite-hiteny hoe: aleo nareo hihinan’ny amaniny ao!!!!!!!!!! Efa saika tafita I Dago dia misy mamingana, fa ny tena msspr dia misy Malagasy maro nanampy izany fampihinanan’ny amaniny zany (foza orana moa izy zay). Efa hitan’ny dada hoe miara-miasa amin’ny firenena  maro no vahaolana mba hampandroso: tonga ireny ny Daewoo, efa faly daholo ny gasy aty am-pita hoe tena tafa raDago kanjo misy mamingana e, lazaina fa mivarotra tanindrazana e dia taitra tokoa ny ambopon’le vendrana isany


Samy hihinan’ny amaniny e! Ho an’izay mitolona dia tohizo ary aza manaiky hanjakazakan’ny frantsay sy ny namany izany ndray. Heverinareo fa vendra-pory zany ry dadabe nitolona tamin’ny 1947.

Okay lesy, milay io blogn’lah io ka


Izay ilay hafany! Tamim-boalohany aho nieritreritra hoe ireto indray ilay gasy any ivelany miseho azy ho favo sy manambany gasy kanefa tena marina tokoa io voalazany io.


Tena d’accord à 100% amin’io izahay aty an-tanindrazana.

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article