MAHAY MAMALY ALAIN ANDRIAMISEZA FA (Interview d’une émission politique de TV PLUS)

Publié le par Alain Ramaroson

Io mpanao politika nandrato fianarana tamin’ny sehatry ny Droit io no vahinin’ny fahitalavitra TV PLUS ny zoma 3 Aprily 2009. Izy no isan’ireo lohandohany namorona sy nitarika ny hetsiky ny mpanohana ny ara-dalàna sady mpanohitra ny tetezamita HAT izy natombony ny sabotsy 21 Martsa 2009 izay andro nametrahana an’i Andry Rajoelina ho filohan’ny tetezamita. Tsy pro-Ravalomanana velively ny tenany fa mpandala tanteraka ny ara-dalàna : hainy tsara ny namaly an’i Onitiana Realy ny maha coup d’état ny nataon’ny tarik’i TGV. Sarotra ny hanazava antsakany sy andavany ny dinika ka  manasa ireo tsy nahita hijery ny famerenana na hitady ny horonantsariny amin’ny internet (ho avy ny lien).

FA …


Tena tsara tokoa ny famalian’i Alain Andriamiseza ny atao hoe « légaliste » tamin’izay. Eritreretiko fa ampy ampieritreritra ny vahoaka amin’ny maha tsy mety io tetezamita azo tamin’ny fanonganam-panjakana io. Aoka ny vahoaka hendry andalina tsara fa tsy anao bontolo hoe toy ny hoe « aleo indray ny hafa no hihinana » izay tsy fitiavan-tanindrazana mihitsy.


Eny tokoa misy FA satria ny dinidinika tahak’ireny dia natao hanokafana ny sain’ny Malagasy amin’ny politika eto an-toerana fa ho antsika te-handalina dia manontany tena isika : maninona no nitsabatsabaka tamin’ity krizy ity ny communauté internationale ? Nahitana matetika fanambarana avy amin’ny masoivoho Frantsay sy ny masoivoho Amerikana nandritra izany ! Nivadibadim-piteny ny Amerikana toy ny hoe « mila henoina ny feon’ny vahoaka » (taorian’ny Black Monday), « tsy fotoanan’ny fampisehoan-kery izao » (taorian’ny hetsiky ny ara-dalàna teo Mahamasina andro avy orana be ny 11 Febroary),  avy eo taty aorian’ilay fikomian’ny Capsat dia somary niaro an’Atoa Ravalomanana. Ny Frantsay indray dia na dia mody tsy niteny firy ary dia fantatra ny safidiny : tonga taty Madagasikara i Alain Joyandet mba hanafoana fotsiny ny didy fisamborana ny namany  (Andry Rajoelina sy Rolland Ratsiraka) ary maninona no tsy nanendry ambasadaoro mihitsy izy raha tsy efa fantany fa ho tafita ny fanonganam-panjakana. Ankehitriny izy niteny fa tsy ampiato ny fanampiany an’i Madagasikara na dia hita ary fa mbola misafotofoto ny toe-draharaha ary  izy ihany no nanaiky fa « coup d’état » io tetezamita io ary « Ravalomanana reste le président en titre » sa izay ve ilay HYPOCRISIE à la française !!


Mbola fanontaniana ny ahy no betsaka fa eo an-dalam-panadihadiana aho ary tsy maintsy ho hita ny marina. Fanontaniana : manaiky ny « impérialisma » tandrefana ve isika ? na ny fanjanahan-tany frantsay vaovao ?

Masina ny TANINDRAZANA
Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article